- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAnkadimbahoaka : Mpimasy sandoka nosamborin’ny polisy

Ankadimbahoaka : Mpimasy sandoka nosamborin’ny polisy

Ireo mpifankatia sady « mpitsabo » izay nosamborina (sary polisy)

Efa tafakatra 20 tapitrisa ariary ny vola izay nalainy tamin’ireo olona izay roboka tamin’ny asa fisolokiany. Milaza izy ho mahay mitsabo ny aretina rehetra sy ny ratsy mety ho nataon’ny zanak’olombelona. Tsy vitan’izay, fa mbola milaza koa izy ho mahay mamboatra vintana. Nisy tokoa ny tafiditra tao anatin’izany rehefa nanana olana. Mba tsy hangalan’ilay olona vola mivantana loatra amin’izay hisolokiany, dia milaza ilay ramatoa fa misy vatosoa mila vidina izay vao sitrana. Notombanany ho 12 tapitrisa ariary ny vidin’izany. Koa satria maika ny ho sitrana sy mba ho tsara vintana dia nokarohina haingana ny vola ary nomena tokoa. Tsy nijanona teo ny famolosana ireo olona, satria rehefa nisy narary koa tao anatin’ny fiankaviana dia mbola nentina tao amin-dramatoa hatrany. Dia miverimberina arak’izany, ny fanomezana volabe azy kanefa ny vokatra tsy nisy namiratra. Efa tafakatra 20 tapitrisa ariary ny vola nomena raha natao ny kaontikaonty izay vao nahatsapa teo ireo olona fa voasoloky. Tapa-kevitry ny nanatona ny polisy ary nanazava ny zava-nitranga rehetra. Teo ary dia natao ny fisamborana ilay ramatoa sy ny fisavana ny tranony. Feno ody gasy tao ary nalaina natao porofo ny iray gony. Isan’ny nosamborina koa ny sipan’ilay ramatoa ; izay voarohirohy ho niray tsikombakomba taminy. Raha ny fanazavan’ny polisy, dia io lehilahy io no mpanao dokam-barotra etsy sy eroa ary mitady olona hatao lasibatra amin’ny asa fisolokiana. Raha ny fanazavan’ny polisin’i Tanjombato hatrany, izay miadidy ny fanadihadiana azy roa dia niaiky ny helony ilay ramatoa ary tena nilaza fa mpisoloky fotsiny izy, fa tsy mahay mitsabo izany. Feno izany eto an-dRenivohitra ary dia mbola betsaka koa ny olona roboka noho ny finoanoam-poana, indrindra ireo izay te-hanan-karena tampoka.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici