- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversMorombe : Maty notsindronin-drangahy lefona ramatoa vadiny, noho ny hasarotam-piarony

Morombe : Maty notsindronin-drangahy lefona ramatoa vadiny, noho ny hasarotam-piarony

Nitrangana vono olona tamin’ny fomba mamohehitra indray tany amin’ny Distrikan’i Morombe, afak’omaly. Vokatry ny hasarotam-piaro diso tafahoatra, ramatoa iray manodidina ny 25 taona eo, no maty notsindronim-badiny  lefona, tao Ambahikily. Araka ny tati-baovao voaray, dia nisy nandefa hafatra miafina tamin’ny findainy ity tovovavy manan-janaka mianadahy ity. Hitan-drangahy izany “sms” mitory fitiavana nalefan’olon-tsy fantatra izany, ka raikitra ny fifamaliana sy ady tamin’ireto mpivady, ary nilaza ity raim-pianakaviana nentin-katezerana, fa mampirafy azy mangala-pitia amina lehilahy hafa any ivelan’ny tokantranony ramatoa vadiny. Niezaka nanazava ity farany sady nivoaka ny trano raha nahita an-drangahy romotra mafy. Vao mainka nampiakaatr’afo an-drangahy izany fihetsi-badiny izany, ka naka ny lefony izy, ary nanenjika am-badiny. Teo am-pitsoahana dia voatsindron’ny lefona teo amin’ny lamosiny ramatoa, ka nidaraboka tamin’ny tany sady niezaka niantso vonjy. Nentina haingana nihazo Csb II ny niharam-boina, indrisy teny an-dàlana dia tapitra ny ainy noho ny fahaverezan-drà be loatra sy ny fahalaviran-toerana. Nitsoaka kosa rangahy nahavanon-doza ka mbola karohina fatratra hatramin’izao.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici