Isan’ireo sendika nanaraka ny baikon’ny foibeny ao Antananarivo nanomboka omaly talata ny Sempama – Nosy eto Toamasina. Ny alatsinainy tolakandro dia efa nisy ny taratasy nalefan’izy ireo isaky ny talen-tselokim-panjakana, sy ny lehiben’ny Cisco I sy Cisco II, ary ny talem-paritry ny fanabeazam-pirenena Atsinanana mikasika ity fitokonan’izy ireo nanomboka ny talata 15 may teo ity izay tsy hisy fetrany araka ny fanambarana ihany. Nisy noho izany ny fitetezan’izy ireo ny sekolim-panjakana rehetra teto Toamasina nanateran’izy ireo ity taratasy fampilazana ity, ka saika nanara-dia azy ireo avokoa ireo mpampianatra sy mpanabe nandritra izany, afa-tsy ny sekoly ambaratonga fototra telo dia “La Marne” Tanamakoa – “L’Espérance” Mangarano – Totovelona Raphael Ankirihiry, ary ny ankaninjaza Romialo Tanambao I. Tao amin’ny tokotany malalaky ny CEG Ratsimilaho no nifampitaona sy nifanentana ary nifanome toky ireto mpampianatra sy mpanabe eo anivon’ny Sempama – Nosy Toamasina ireto. Tamin’izay no nanazavan’ireo mpitarika izany tamin’ireo namany, fa ny fandraisana mpampianatra ho mpiasam-panjakana andiany faha-5 feno kolikly sy ny akamakama ary resa-pianakaviana, sy ny fampanantenana poak’aty nataon’ny fanjakana tamin’ireo mpampianatra sy mpanabe, no niteraka izao fitokonan’izy ireo izao ka hanohanan’izy ireo ny hetsiky ny fanovana misy eto amin’ny firenena ankehitriny izao. Amin’ireto mpampianatra dia “masina ny tanindrazana, rehefa masina ny fanabeazana ka omen-kasina ny mpampianatra sy ny mpanabe”, izay mahatonga azy ireo mitolona, satria tsy mbola izay no misy ankehitriny. Hanomboka anio anefa dia asain’izy ireo hanampy azy ireo avy amin’ny tsy miankina, satria ny 80%-n’ny mpampianatra any dia avy amin’ny mpampianatra mpiasam-panjakana ihany. Milaza ny handray fepetra mikasika izao fitokonana izao ny Dren araka ny fanambarany ny talata tolakandro, nefa milaza ny tsy hihemotra amin’ny fitakiany koa ny Sempama – Nosy Toamasina.
Malala Didier