Raikitra ny rotaka tao an-tampon-tanànan’Ambositra, omaly naraina, ka nandrava sekoly ny mpianatra avy ao amin’ny Ceg Ankorombe sy lycée Ankorombe, ary niraradraraka ny tora-bato tao amin’ny Ceg Ambohimiadana, nitohy tao Antamponivinany nihazo ny “lycée technique” niaraka tamin’ny kibay ny sasany tamin’ireo andiana mpianatra nidina an-dalambe avy eo. Vokatry ny tora-bato, mpianatra ampolony no vaky loha tsy maintsy naiditra hopitaly. Manoloana ny hetsika nataon’ireto mpianatra marobe ireto, hoy ny tati-baovao voaray, dia tsy afaka nanao na inona na inona ireo mpitandro filaminana vitsy an’isa tazana teny an-toerana. Niezaka nandamina an’ireo mpianatra nitroatra kosa ny lehiben’ny fampianarana, fa tsy nohenoin’ ireo andiana mpianatra izany, ary nirodorodo nanohy ny diany ireto farany. Raha ny fanamarinam-baovao azo farany, hatreto tsy fantatra aloha iza no nitarika izao hetsika izao sy ny zavatra takian’ ireo ny mpianatra ?
Eric Manitrisa