Noho ny fahafantarana mpitondra ambony, eo ihany koa ny kolikoly sy fanamparam-pahefana misy, dia mitohy hatrany ny fibodoan’ireo teratany vahiny ny tanin’olon-tsotra eto amintsika. Araka ny tati-baovao marim-pototra voaray avy any amin’ny Distrikan’i Tsaratanàna, Faritra Bongolava, dia alain’ireo sinoa, karàna ary sovietika an-keriny ny tanin’ireo mponina ao Brieville sy Andriamena, izay anaovan’izy ireo fitrandrahana chrome sy volamena ary vatosoa. Efa hatry ny ela ireo tompon-tany no mitaraina any amin’ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny, kanefa tsy misy mihaino momba ity fitrandrahana harena ankibon’ny tany tsy ara-dalàna, tsy manaja ny lalàna mifehy ny tontolo iainana ary manao bontolo fotsiny ny tanin’olona ity. Ary mirehareha fatratra ireto farany milaza fa mahalala/manana mpitondra ambony, ka mampihorohoro sy mandrahona an’ireo tantsaha tsy mankasitraka ny fangalana ny taniny izay manohitra an’ireto vahiny. Manoloana ny fihoaram-pefy misy, dia mangataka sy miangavy ary manolotra vahaolana maika ho an’ny Ministry ny harena ankibon’ny tany ireo mponina any an-toerana, mba hampiato avy hatrany ny asan’ireo teratany vahiny mpitrandraka harena ankibon’ny tany mambotry vahoaka. “ Mandravarana sy mamono olona tsy manan-tsiny ireo dahalo mitam-basy mpangalatra omby, dia mbola alain’ireo teratany vahiny an-kerisetra koa ny taninay ”, hoy ity olom-boafidy iray tsy tononina andraikitra sy toerana misy eto, nanome ny vaovao.
Eric Manitrisa