Maty namoy ny ainy notifirin’olon-tsy fantatra, ny alin’ny alarobia teo, ny Ben’ny tanànan’ Ankirihitra, tao amin’ny Distrikan’ Ambato Boeny. Araka ny tati-baovao voaray, dia tsy nahafaty an’ity olom-panjakana voafidim-bahoaka ity, ny kapoka famaky teo amin’ny lohany, ka notifirin’ireo olon-dratsy avy hatrany izy nanaperany ny ainy. Raha vao naheno ny poa-basy ny olona teo an-tanàna, dia nifandrimbona ary nezahina novonjena haingana nentina tany amin’ny hopitaly ny niharam-boina, saingy tsy tana intsony ny ainy. Araka ny fanambarana nataon’ny fianakavian’ny maty, dia “ tsy tonga tonga ho azy izao fahafatesana izao, fa vono niniana natao, satria tsy nanaiky hiaraka hiasa sy hanaraka ny baiko azony izy sy ireo ekipany. “ Raha ny loharanom-baovao marim-pototra voaray kosa, dia efa misy olona karohina fatratra ahiana ho tompon’antoka mivantana amin’ity vono olona miendrika “règlement de compte” sy “elimination physique” ity. Andrasan’ny maro amin’izao ny ho tohin’ny fanadihadiana, ary manameloka izao vono olona izao ireo fikambanan’ny Ben’ny tanàna any amin’ny Faritra Boeny, raha ny fanambarana voaray.
Eric Manitrisa