- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversBetroka : Voatifitra teo amin’ny lohany ny lefitry ny Sefo Fokontany

Betroka : Voatifitra teo amin’ny lohany ny lefitry ny Sefo Fokontany

Rehefa niaina tao anaty filaminana nandritra ny volana maromaro ireo mponina, dia miverina mahazo laka indray amin’izao ny fanafihan-jiolahy ao an-tampon-tanànan’i Betroka. Afak’omaly hariva, jiolahy tsy latsaky ny dimy, ary nitam-basy ny sasany tamin’izy ireo, no nanafika tao amin’ny Fokontany Anjabo, ka raim-pianakaviana iray no maty tsy tra-drano vokatry ny tifitra vary raraka nihatra taminy. Olona roa kosa naratra mafy : ny iray renim-pianakaviana nodarohina tamin’ny vodim-basy, raha voatifitra teo amin’ny lohany ny lefitry ny Sefo Fokontanin’ Anjado. Ity farany moa dia nalefa haingana notsaboina any Fianarantsoa ho famonjena ny ainy. Mbola karohina fatratra atao hazalambo kosa amin’izao ireo jiolahy nitam-piadiana nahavanon-doza  tafaporitsaka. Manoloana ny tsy fandriampahalemana misy, dia namory haingana ny mpikambana ao amin’ny OMC sy ny herivelona rehetra ao Betrokany Lehiben’ny Distrika any an-toerana, ka tapaka tamin’izany, fa ferana ao anaty fe-potoana voafetra ny fivezivezena amin’ny alina, izay manomboka amin’ny 10 ora alina ka hatramin’ny 4 ora maraina, ary hisy ihany koa ny fisavana pasipaoro sy kara-panondro ho an’ny rehetra tsy an-kanavaka, indrindra fa ireo vahiny tonga mandalo ao an-toerana. Natao izao fepetra hentitra izao, hoy ny tompon’andraikitry ny filaminana ao Betroka, nampita ny vaovao, mba ho fitandrovana sy ho famerenana amin’ny laoniny ny filaminana amin’ny fiarovana ny ain’olona sy ny fananany, ary hisorohana ny mety hisian’ny fandrobana no tanjona.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici