Nitaraina ny fianakavian’ilay ankizy notifirin’ny polisy, ilay nihevitra fa mpangalatra ilay ankizy lahy.
Tamin’ny sabotsy lasa teo, notifiran’ny polisy ny ankizy iray teny Analakininina Toamasina. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa noheverin’ireo polisy telo lahy ho mpangalatra solika izy io. Rehefa nozohiana anefa ny fandehan-javatra dia nisy ny olona niteny fa mamomamo ilay polisy nitifitra tamin’io fotoana io. Tsy nanaiky mora foana ny havan’ilay voatifitra fa nitondra ny raharaha tany amin’ny manampahefana. Vokatr’izany, nosamborina ilay mpitandro filaminana. Efa mandeha ihany koa ny fanadihadiana mikasika ity.
Tamin’io andro io, nitondra zavatra handorana kisoa ilay ankizilahy. Tsy fantatra anefa izay niseho fa noheverin’ny mpitandro filaminana fa zavatra hafa no teny aminy. Nolazainy fa “bidon”. Tamin’izany dia voalaza fa handeha hangalatra solika ity ankizy. Nosamborina ary dia niafara tamin’ny fitifirana azy izany. Voa teo amin’ny kibony ilay ankizy ary dia izany no nitarika ny fahafatesany. Raha nahafantatra ny vaovao ny havan’ilay voatifitra dia tsy nijanona tamin’izao. Niafara tamin’ny fisamborana ilay mpitandro filaminanan ny raharaha.
Nangonin’i r.s.