- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversTsy fandriampahalemana : Vahaolana mahomby ny fampiasana angovo avy amin’ny masoandro

Tsy fandriampahalemana : Vahaolana mahomby ny fampiasana angovo avy amin’ny masoandro

Isan’ny manome vahana tsy fandriampahalemana, ny tsy fisian’ny jiro amin’ireo toerana maro eto amin’ny firenena. Manararaotra ny haizina izy ireo mba hanaovana ny asa ratsiny, indrindra ety an-drenivohitra. Iaraha-mahalala anefa, fa tsy ho vitan’ny fanjakana irery ny handrakotra jiro ny tanàna rehetra eto Madagasikara. Mba hitondrana vahaolana amin’izany indrindra no anton’ny atrik’asa izay nokarakarain’ny orinasa misehatra eo amin’ny famokarana angovo avy amin’ny herin’ny masoandro Schneider Electric tao an-drenivohitr’i Vakinankaratra, ny herinandro lasa teo. Nandritra izany no nampisehoan’ity orinasa ity ireo voka-pikarohana nataony mba hentina hampiroboroboana ny fampiasana ity karazana angovo azo havaozina ity, teo anoloan’ireo mpitantana orinasa maro mpiara-miombon’antoka aminy; izay samy nahatsapa ny tombontsoa mety ho azo avy amin’izany. Nivohitra tamin’io fotoana io, fa azon’ny sehatra tsy miankina atao tokoa ny mamokatra herinaratra mba hanazavana ny manodidina ny toerana izay iasany, nefa tsy ilana fampiasam-bola betsaka. Tsy ny orinasa ihany, fa na ireo olon-tsotra ihany koa dia afaka manao izany, eny fa na hampiasaina amin’ireo fitaovam-pifandraisana ihany aza, toy ny telefaonina izay mbola olana any ambanivohitra nefa dia tena ilaina tokoa izany amin’ny fampandriana fahalemana ny tany sy ny fanjakana.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici