- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversIsandra : Fiarabena mpivaro-mandeha voatafika, olona roa maty voatifitra, very ny 60...

Isandra : Fiarabena mpivaro-mandeha voatafika, olona roa maty voatifitra, very ny 60 tapitrisa Ariary

Nisesisesy indray tamin’iny herinandro iny ny fanafihan-dahalo mpanakan-dalana any amin’ny faritra Matsiatra Ambony. Fiarabe iray avy ao Fianarantsoa nitondra mpivaro-mandeha mpitety tsena hihazo an’i Befeta distrikan’ Isandra no notafihan’ny dahalo folo lahy nirongo basy, ny narain’ny 18 mey teo, tokony tamin’ny 6 ora tany ho any, 1 km tsy hidirana an’ Andremizaha. Vokatry ny tifitra variraraka intelo, dia lehilahy iray voatifitra teo amin’ny lohany no namoy ny ainy teo no eo, raha tonga tany amin’ny hopitaly no nindaosin’ny fahafatesana ny mpandeha faharoa. Mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaly Tambohobe Fianarantsoa kosa ny olona roa naratra mafy, ka mpampianatra ny iray tamin’ireo notifirin’ny dahalo. Araka ny tati-baovao voaray, dia vola manodidina ny 60 tapitrisa Ariary no lasan’ ireo dahalo niampy ny findain’ireo mpamonjy tsena ary entam-barotra maromaro zakan’ireo mpanakan-dalana.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici