- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversVono olona feno habibiana tao Toamasina II : Natsipy tao anatin’ny ranon’Ivondro...

Vono olona feno habibiana tao Toamasina II : Natsipy tao anatin’ny ranon’Ivondro ny fatin’izy mianaka

Raha fanahy masina no nidina noho ny fetin’ny pantekosta ny alahady teo, dia vono olona feno habibiana kosa no nanaitra ireo fokonolona tao amin’ny fokontany Mahasoa kaominina Ambokarivo distrikan’i Toamasina II tokony tamin’ny 07 ora maraina teo. Gaga ireo mpiandriaka amoron-dranon’Ivondro raha nahita valizy manga goavam-be natsingevan’ny rano, izay nitangoronan’ny lalitra sy toa mivohibohitra hafahafa, hany ka noraisin’izy ireo niaraka tamin’ny filoham-pokontany ny andraikitra nisintona azy namonjy ny sisin-drano. Raha nosokafana anefa ny tao anatiny dia taitra ny rehetra nijery ny zava-nisy fa fatim-behivavy sy ny zanany kely no tao anatiny, izay mbola samy mifatotra amin’ny tady. Avy hatrany dia nampandre ireo zandary tao Tanandava sy ny dokotera teto Toamasina renivohitra ny filoham-pokontany nijery ny zava-nisy. Ny fanadihadian’ity mpitsabo ity no nahalalana fa tovovavy tokony ho 27 taona izay mbola bevohoka tokony ho fito volana ity maty ity izay nokendaina sy nosemporina tao anaty rano; zazavavy kely tokony ho roa taona kosa ilay maty niaraka taminy izay mbola nokendaina ihany koa ny nahafaty azy, araka ny fijerin’ny mpitsabo azy. Ny fanamarian’ny mpitsabo nizaha azy mianaka novonoina tamin’ny fomba feno habibiana ireo ihany no nahalalana fa manodidina ny roa andro teo no nahafaty azy ireo, ary nahitana tombokavatsy amin’ny teny frantsay natao amin’ny fomba fanoratra karana koa ny lamosiny tsy lavitra ny fitombenan’ilay tovovavy. Tsy nisy mahalala azy mianaka maty ireto ny mponina manodidina ny fokontany Mahasoa sy ny ao amin’ny kaominina Ambokarivo, koa izany no nilazan’ny zandary fa novonoina tany an-toeran-kafa izy mianaka ireto vao natsipy tao anatin’ny ranon’Ivondro, mandeha aza ny tombana fa mety teto Toamasina renivohitra no natao ny famonoana vao nentina tamin’ny lalam-pirenena faha-02 ary natsipy tao anatin’ity renirano ity avy eo. Efa tena simba ny fatin’izy mianaka ireto ka natao ny alahady pentekosta io ihany ny fandevenana azy tao amin’ny fokontany Mahasoa ihany; nefa miantso ny havana na izay olona mety mahalala ireto mpianaka nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana ireto ny mpitandro ny filaminana mba hanokafana ny fikarohana izay mety nahavanon-doza.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici