- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversVangaindrano : Renim-pianakaviana iray maty voatifitra, vola vidin-jirofo an-tapitrisany voaroba

Vangaindrano : Renim-pianakaviana iray maty voatifitra, vola vidin-jirofo an-tapitrisany voaroba

Nitrangana fanafihan-jiolahy nitam-basy indray tao an-tampon-tanànan’i Vangaindrano, ny alin’ny zoma hifoha ny asabotsy teo, ka tokantrano iray tao amin’ny Fokontany Ambadikala no voaroba, ary lasan’ny efa-dahy tsy nisaron-tava tamin’izany ny lelavola an-tapitrisany vidin-jirofo. Nandritra ny fanafihana dia maty tsy tra-drano nofitirin’ireo jiolahy ny ramatoa tompon-trano, raha naratra mafy mbola tsaboina any amin’ny hopitaly kosa rangahy vadiny. Raha ny fanazavan’ity raim-pianakaviana niharam-boina ity, dia fantan-dramatoa vadiny ny iray tamin’ireo jiolahy nanafika azy ireo, ka tsy nisalasala ireo olon-dratsy fa avy hatrany dia nitifitra an’ity renim-pianakaviana. Efa misokatra ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana mahakasika an’ity fanafihana mitam-basy narahina vono olona ity, ary karohina fatratra hatao hazalambo amin’izao ireo jiolahy, hoy ny vaovao.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici