- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAmbalajia-Maevatanàna : Lehilahy iray maty voatetika antsy sy nesorina ny lela

Ambalajia-Maevatanàna : Lehilahy iray maty voatetika antsy sy nesorina ny lela

Nisehoana trangan-javatra mbola tsy faheno sy fahita ny tato amin’ny faritra Maevatanàna, tao amin’ny fokontany Tsaramandroso, Kaominina Ambalajia, disitrikan’i Maevatanàna. Lehilahy iray no maty voatetika antsy, ka nalaina hatramin’ny lelany. Olon-dratsy dimy lahy no voalaza ho nahavanon-doza, izay famonoana feno habibiana tanteraka. Tao anaty bara no niatombohan’ny fifampiresahana teo amin’ilay rangahy namoy ny ainy izay nofitahina. Tokony ho tamin’ny valo ora alina teo ilay tranga. Niangaviana mba hanatitra an’io lehilahy io, ilay maty. Rehefa nandeha tokoa izy dia efa nisy niandry teo anelanelan’ny fokontany Anosikely sy Ambinanikely. Novonoin’ny zalahy ireto teo ilay mpanatitra, ka voatetitetika tongotra aman-tanana ilay lehilahy ary sady nalaina ny lelany, hoy ny fanazavana  taminay. Raha ny fanampim-baovao hatrany dia nokaramaina toaka « tavohangy mangasarona » iray ilay namoy ny ainy. Marihina fa nisy olona naheno ilay resaka nifanoavan’izy ireo tao anatin’ilay bara. Noho izany, dia tsy nisalasala ny fokonolona ka nisambotra io lehilahy io, ary efa eny amin’ny Zandary ny raharaha amin’izao.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici