- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversMorombe : Mpianatry ny Epp, teraka kambana telo mirahavavy

Morombe : Mpianatry ny Epp, teraka kambana telo mirahavavy

Noho ny firaisana ara-nofo aloha loatra, dia mitombo isa saika isan’andro ireo ankizivavy tsy ampy taona mitondra vohoka any amin’ny Faritra Atsimo Andrefana. Tovovavy iray sahabo ho 15 taona eo no teraka kambana telo mirahavavy, ny alatsinain’ny pentekoty hariva teo, tany Befandriana Atsimo Distrikan’i Morombe. Raha ny tati-baovao voaray avy any an-toerana, dia salama tsara izy efa-mianaka, na dia mbola hita fa reraka ity tovovavy renin’ireo zaza, hoy ny mpitsabo. Raha ny fanazavana azo, dia tsy fantatry ny reniny sy ny fianakaviany hoe : bevohoka ity “ajampela” kamboty ray izay mpianatry ny Epp kilasy T4 ity. Izy efa nitaraina narary mafy afak’omaly tolakandro no nanaitra ny rehetra, ka rehefa noentina namonjy tobim-pahasalamana Csb II ity tovovavy ity, dia nilatsaka teny an-dalana tao anaty sarety ny zanany voalohany, ary teo vao ankona ireo nitondra azy, kay efa nihetsi-jaza izy nitaraina narary mafy ireny. Tsy nety nilaza sy nanondro mihitsy ny tena rain-janany nahabevohoka azy razazavavy rehefa nofotorana lalina. Raha ny tsilian-tsofina, dia ny mpampianany ihany no ahiahiana ho nampitoe-jaza an’ity ankizivavy ity, satria raha ny filazan’ny renin’ilay zaza vao tera-bao, dia efa in-droa ity ramose mpanabe ity no tra-tehaka nanao fihetsika hafahafa tamin-janany.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici