- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAntananarivo : Vono an’olona roa handrasana fanadihadihana

Antananarivo : Vono an’olona roa handrasana fanadihadihana

Ny voalohany tetsy Ambatobe ary ny faharoa tetsy Mahamasina. Vonoan’olona no itovizan’ireo raharaha roa ireo. Tetsy Ambatobe, mpamily iray no novonoin’ny jiolahy nandritry ny fanafihanaraha araka ny fanazavan’ny tompon-trano izay hiasany rahateo. Tsy eken’ny sain’ny fianakavian’ny maty izany fanazavàna izany. Voalohany, rehefa nataony famerenana ny kisarin’ny fanafihana dia hita fa tsy ho voasaotin’ny olona velively ny tamboho izay mirefy latsakakelin’ny telo metatra, raha araka ny filazan’izy ireo. « Manarak’izany, diso ny filazàna fa nisy olona nosamborina avy amin’ny fampiasana alika mpitsongo dia. Tsy mbola misy olona tazomina sy ahiahiana mihitsy rehefa nanontanianay ny mpitandrony filaminana » raha araka ny havavan’ny maty izay miahiahy fatratra ity raharaha ity. Mbola notsindrian’izy ireo koa aza fa nisy mpiambinanatory  tao anaty fiara ary tsy naheno na inona na inona tamin’io fotoana io. Isan’ny handraindrain’izy ireo ny hanafainganana ny fanadihadiana ary koa ny fivoahan’ny fanamarinana ny dian-tànana izay efa mandeha amin’izao fotoana. Ny faharoa indray dia ny mombany fandratràna izay nitarika fahafatesan’ny « surveillant » eo anivon’ny lisea Rabearivelo. Io indray dia olona telo izay mpianatra no tena notazomin’ny havan’ny maty ho tompon’antoka. Ny teo anivon’ny mpanao fanadihadiana dia tsy mbola nanome vaovao momba ity raharaha ity na re aza fa fa efa nisy olona nosamborina nefa navotsotra rehefa avy nohainoina. Heverina fa mitandrina fatratra ny mpanao fanadihadiana eo anivon’ny polisy amin’ny fikirakirana ny raharaha satria mpianatra samy mpianatra no voakasika ary efa misy aza ny fifampihatsiana valifaty ao anaty tambajotra sosialy. Samy miandry ny fivoaran’ny fanadihadiana ny fianakaviana roa tonta an’ny maty. Toa lasa variana any amin’ny resaka politika mantsy tato ho ato ny mpitandro ny filaminana ka saika tsy nahitam-bokany avokoa ny raharaha vonoan’olona izay tsy misy afa-tsy izy ireo no hany afaka manampy amin’ny fitadiavana ny marina.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici