Raha mbola voagejan’ny fanjakana tamin’ny alalan’ny minisiteran’ny varotra sy ny fanjifana izay manana ny talem-paritrany eto Toamasina ilay vary lo sy efa simba 2.776 gony tratra tao anaty magazay iray tao Androranga raha ny vaovao azo, dia mitaraina kosa ireo mponina sy ireo mpanjifa any Vavatenina sy ny manodidina azy ary ireo ao Ambanivohitry ny Toamasina II, fa misy vary lo sy simba nafangaro vary mbola tsara miparitaka any amin’izy ireo izao, nefa ny vidiny tsy miova fa mbola 1.400 ariary ihany. Midika izany fa na nisy nanokatra ilay magazay nahatrarana vary lo sy simba tao Androranga, izay raharaha ara-barotra ny zava-nisy ka tsy manana fahefana hiditra amin’izany ny fitsarana noho ny lalana manan-kery eto amintsika manome alalana ny minisiteran’ny varotra sy ny fanjifana manasazy arak’onitra sy lamandy ireo tratrany amin’izany; na tsy ity magazay iray tratra ity ihany no mpanafangaro vary lo sy simba amin’ny vary vaovao fa maro ireo misitrika any ho any izay tsara mpiaro sy tsara fiarovana, ka manaparitaka izany amin’ireo toerana lavitry ny renivohitra mba hanasarotra ny fikarohana izany. “Ho vonoina ve izahay vahoaka aty ambanivohitra aty no tsy hita amin’ny fanaraha-maso ireo vary lo sy efa simba misy mivarotra aty aminay izahay”. Nomarihan’ireto vahoaka tezitra tamin’ny antso an-telefaonina tamin’izy ireo fa “inian’ireo mpivarotra mpiray tsikombakomba amin’izy ireo atao lafo mihintsy ny vary vokatra eto an-toerana amin’izay mirona amin’ireo vary mifangaro vary lo sy efa simba ireo noho izy mora ny mpivarotra”. Ankoatra izay dia fantatra araka ny fanazavana azo ihany koa fa manana olana amin’ny fivarotana sy famoahana ireo vary mihitsoka eo anivon’ny seranan-tsambo manodidina ny 1.000 kaontenera ireo mpanafatra izany izao, noho vesatry ny saram-pitehirizana eo anivon’ny seranan-tsambo, sy ny vola 2.000 dolara isaky ny kaontenera alain’ny mpiasan’ny minisiteran’ny varotra amin’izy ireo; hany ka betsaka amin’ireo vary mihintsoka eo anivon’ny seranan-tsambo miditra amin’ny fahaloavany avokoa ankehitriny nefa mbola tsy voaloha vola.
Malala Didier