- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Saron’ny zandary ny rongony 30 kg

Antsirabe : Saron’ny zandary ny rongony 30 kg

Tsy afa-bela eto Antsirabe hatrany ireo mpanao afera maizina mandalo ny lalam-pirenena faha-7 iny, indrindra fa ny avy any atsimo. Matetika mantsy saika eto hatrany no ahatrarana azy ireo toy ny vato, hazo sarobidy, biby harovana sns. Rongony milanja 30kg indray no saron’ny zandary avy amin’ny : “Brigade de la Police routière” BPR eto Antsirabe ny faraparanan’ny herinandro lasa teo. Fanomezam-baovao avy tamin’ olona tsara sitra-po no nahafantarana ny fisian’io rongony io hoy ny kaomandin’ny BPR, ny GPHC Razafimahery Jean De Dieu nanazava. Fiara mampitohy an’Ihosy sy Antananarivo avy amin’ny kaoperativa Trans Tsy Tsara no nahatrarana ny rongony. Araky ny fanazavana dia fantatr’ilay mpamily tsara ny fisian’io rongony io, nifanarahany tamin’ny tompon’ny entana rahateo izany ka 360 000 ar no sarany nitondrany azy. Tsy nandà  rahateo ny mpivady tompon’ilay rongony fa niaiky fa azy marina ireo rongony ireo. Nokasaina hamidy taty Antananarivo ireo rongony ireo no izao tratra izao. Natao tsara fatratra tao anaty tapa-gony nofonosana harona plasika ny entana. Efa mailo rahateo ny zandary araky ny loharanom-baovao voarain’izy ireo ka avy hatrany dia nanao ny fisavana ny zandary rehefa nandalo tao Vinankarena ilay taxi-brousse. Olona telo izany no voasambotra hatreto, mpivady roa tompon’ny entana sy ilay mpamilin’ny fiara. Toy ny fanao dia hodorona ireo rongony ireo aorian’ny fanadihadian’ny mpitandro filaminana.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici