- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversFetin’ny pantekôty teto an-dRenivohitra : Mpanendaka sy mpamaky trano 28 no nosamborin’ny...

Fetin’ny pantekôty teto an-dRenivohitra : Mpanendaka sy mpamaky trano 28 no nosamborin’ny pôlisy

Raha ny teto an-drenivohitra fotsiny dia efa mahatratra an’arivony mahery ireo pôlisy no nahetsika fa hitandro ny filaminana sy handrindra ny fifamoivoizana nandritra iny fetin’ny pantekôty iny, ny alahady sy ny alatsinainy lasa teo.

Ezaka izay nahitàm-bokany tokoa satria, dia voafehy tanteraka ny resaka fandriampahelamana sy vetivety ihany dia nisava ny fitohanana lavareny teto an-dRenivohitra. Tetsy an-danin’izay dia fantatra fa olona mahatratra teo amin’ny 28 teo ho eo no nosamborin’ny pôlisy tamin’iny fety iny. Samy voarohirohy tamin’ny asan-jiolahy : vaky trano sy ny fanendahana avokoa ireto olona ireto. Marihana mantsy, hoy hatrany ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisim-pirenena fa niisa teo amin’ny 20 teo ho eo ny trangana tsy fandriampahalemana : vaky trano, harom-paosy sy fanendahana tamin’ireo fokontany 192 nosahanin’izy ireo. « Tontosa tamin’ny atsakany sy andavany ny adidy napetraka tamin’ny Polisim-pirenena satria nihena ireo fandikan-dalana isan-karazany ary nitombo ireo olona voasambotra izay tratra teo am-panatanterahana ny asany » hoy hatrany ny fampitam-baovao. Eo anatrehan’ny toe-draharaha izay handalovan’ny firenena amin’izao fotoana izao ihany koa anefa, fa indrindra ny mety ho fisian’ireo mpanararaotra dia fantatra fa napetraka ny paik’ady hiarovana amin’ny fandrobana na ny « dispositive anti-pillage » tamin’ireo toerana izay mety ho ahiana hisian’izany.  Fa ankoatr’izay ihany koa, teo amin’ny lozam-pifamoivoizana dia fantatra fa tranga teo amin’ny 18 teo no voaray teo anivon’ny pôlisim-pirenena, teto an-drenivohitra. Tsy nisy anefa ireo namoy ny ainy saingy, kosa nahatratra teo amin’ny 19 teo kosa ireo naratra. Efatra tamin’izy ireo dia mpandeha tongotra nisy nandona, sivy mpitondra môtô ary ny telo vokatry ny fitondrana fiara tao anaty hamamoana. Azo lazaina araka izany fa nieren-doza ny fetin’ny pantekôty tamin’ity taona ity.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici