- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohijatovo : Mpivarotra hani-masaka voatafika

Ambohijatovo : Mpivarotra hani-masaka voatafika

Ny alahady teo no nitranga ny asaratsy. Raha nandalo tao amin’ny tsenany izay ao anatin’ny fivarotam-boky ao Ambohijatovo ny lehilahy iray manodidina ny 30 taona ka naka ny vola maty, nisy nanaraka avy hatrany izy nony avy eo. Tsy fantatra ny toerana nisintoman’ireo olona azy sy ny vola teny aminy. Efa izy naratra mafy no nisy nahita nifatotra tetsy Analakely ny marainan’ny alatsinainy. Mbola nahavita nampandre ny mpiasany tao amin’ny fivarotana etsy Ambohijatovo izy dia torana tsy nahatsiaro tena nanomboka teo ary nampidirina hopitaly avy hatrany. Nalaza eraky ny tsenam-boky sy solomaso ary hani-masaka ny zava-nitranga ary natahotra ny olona satria efa misy manara-maso koa izany ny fivezivezin’ny vola ao amin’io toerana io. Tranga izay mbola tsy nisy toy izany hatrizay, raha araka ny fanazavan’ny mpivarotra iray ao an-toerana.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici