Fomban-tany mbola mahazo laka amin’ny foko sasany, any amin’ny faritra Atsimon’ny nosy iny, ny “valy isoke” na vady fiandry sy fampirafesana. Misy mihitsy aza mbola any am-bohoka, na vao teraka ilay zazavavy, dia efa misy lehilahy mamandrika sahady, ka rehefa manomboka misy nono mibotsina na mandeha fadim-bolana ilay zaza, dia atao amin’izay ny fomba, ary aorian’izany dia lasa vadin-drangahy rakalakely, izay tsy fantatra intsony hoe : vady fahafiry ? Vokatry ny fanambadiana aloha loatra, dia maro amin’ireo ankizivavy tsy ampy taona no lasa reny tsy fidiny, misy maty am-piterahana. Ankizivavy iray 14 taona, mpianatry ny EPP kilasy T3 no teren’ny ray aman-dreniny hanambady lahiantitra 60 taona. Tsy nanaiky izany fanambadiana terena izany sy ny tahotra hanaraka an’ity lahiantitra rakalakely, ka nitsoaka nandositra niala ny tranon-dray aman-dreniny, afak’omaly. Nilaza ity “ajampela” ity fa aleony maty toy izay hanambady an’io nahoda be io. Araka ny tati-baovao voaray farany, dia mbola tsy hita popoka hatramin’izao ny toerana misy an’ity “somondraha” ity, ary tsy fantatra ihany na maty na velona izy. Entam-barotra hitadiavan-karena sy ivelomana. Noho ny fanambadiana tsy tanteraka, dia tezitra mafy ingahibe ary nitaky avy hatrany ny hamerenana ny volany fito hetsy Ariary izay vodiondrim-barotra fehim-panambadiana. Na dia nitalaho sy niangavy mafy aza ny renin’ilay zaza fa hikaroka an-janany, dia tsy nanaiky intsony ity lahiantitra nahatsiaro tena voafitaka, izay monina any ambanivolo, 57 km atsimon’i Toliara. Raha ny fantatra, dia ny 17 mey lasa teo no najanona tamin’ny fianarana razazavavy, ary ny talata teo no tokony nanaovana ny fombafombam-panambadiana ara-drazana.
Eric Manitrisa


