- Publicité -
mardi, juin 10, 2025
AccueilFaits-DiversVAKINANKARATRA : Antsirabe « To day for Mada” / Mahasarika ankizy 3000...

VAKINANKARATRA : Antsirabe « To day for Mada” / Mahasarika ankizy 3000 isan-kerinandro

Fikambanana iray mpikarakaraka hetsika ara-panatanjahantena ny “To Day For Mada”. Mpikarakara “tournoi” basket ball ho an’ny mpianatra no tena hamantarana azy. Hiditra amin’ny andiany faha-10 ny hetsika amin’ity taona ity, izay efa nanomboka ny 5 may teo ka hifarana ny 27 may ho avy izao. Fotoana hisian’ny “grande finale” ho an’ireo sekoly tafakatra amin’ny dingana famaranana. Araka ny vokatra, eo amin’ny lalao “inter universitaire” dia ny CNTEMAD no hifanandrina amin’ny INATE. Eo amin’ny “inter lyceen kosa, “finale Cheerleaders”, dia ny LARA hifanandrina amin’ny St Joseph.    Tanjon’ity hetsika ity, araka ny fanazavana, ny fanentanana ny taranja basket eto Antsirabe hatrany amin’ny sekoly ary indrindra hanamafisana ny fifamatoran’ny fiaraha-miasa amin’ny ligy. Fahombiazana rahateo ny hetsika natao hatrizay, satria mahasarika ankizy 3000 isan-kerinandro isaky ny misy “match”, ary saika mandray anjara daholo ny sekoly. Maro ny ankizy mamiratra amin’ny fifaninanana toy izao, ary efa namoaka tanora milalao amin’ny ekipa nasionaly ny “to day for mada” raha ny fazavan’ny tompon’andraikitra.

Andry N.: Antsirabe ; Hahazo dobo filomanosana monisipaly vaovao

Tsy tafiditra ao anatin’ilay tetikasa fananganana fotodrafitrasa gymnase atsangana eto Antsirabe ny fananamboarana dobo filomasona monisipaly fa ny fiadidiana ny tananan’Antsirabe no hanamboatra azy io, araka ny fanazavana. Marihina fa ny fanjakana foibe no mamatsy vola ity fananganana kianja mitafo eto Antsirabe ity, izay heverina ho vita amin’ny volana jolay ho avy izao. Dobo mirefy 25m no atsangana hatao manaraka ny fenitra, satria hasiana “ligne d’eau” miisa 6, izany hoe afaka handray fifaninana ho an’ny atleta miisa 6 miara-mizotra. Ankoatra izay dia manaraka ny fenitra takiana ihany koa ny trano fidiovana sy fivoahana miampy ny trano fisoloana ankanjo sy izay kojakoja rehetra fampiasa amin’ny taranja lomano, raha ny fanazavan’ny ben’ny tanana Paul Razanakolona. Vina napetraky ny ligin’ny taranja lomano eto Vakinankaratra kosa ny handraisana ny lalao fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara amin’ny taranja lomanao 25m aorian’ny fahavitan’ity fotodrafitrasa lehibe ity.

Andry N.

 

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici