Lehilahy roa no matin’ny toaka ny alatsinainy pentekoty teo, tany amin’ny Distrikan’i Toliara II, ka ny iray dia tovolahy mamo ary maty an-drano tany Anakao rehefa avy nitsangantsangana handeha hamonjy fodiana hariva niondrana an-dakana niaraka tamin’ny namany. Raim-pianakaviana iray mipetra-drery kosa no hita faty tao an-tranony, tany Analamitsampy. Tamin’ny fotoana nahitana ny razana, afak’omaly naraina, dia mbola nahenoana fofon-toaka nidofaka ny vanta mangatsiakany. Raha ny tombatombana dia mety ho maty irery tsy nisy namadika tao an-tranony na namoy ny ainy noho ny hanoanana ity lehilahy voalaza fa mamo lava ity, satria tsy nahitana dian-dratra na vono ny vantany tamin’ny fizahana natao ny razana. Fa mpitsangantsanagana miisa telo kosa no dobo an-drano navadiky ny lakana teny ampovoan-dranomasina, tany Madiorano, ny 21 mey teo, hoy ny vaovao.
Eric Manitrisa