- Publicité -
mercredi, juillet 16, 2025
AccueilFaits-DiversMahajanga : Tsy ampy taona 13 nosamborina

Mahajanga : Tsy ampy taona 13 nosamborina

Asa fanakorontanana no antony nanenjehana azy ireo. Ny talata teo, manodidina ny tamin’ny fito ora sy sasany dia nisy tanora miisa 50 izay nitety fokontany efatra ary nitora-bato. Sady nitazona antsy izy ireo no nampiasa hery tamin’izay nifanena taminy. Ny mpitari-posy sy ny « tricycle » no tena niharan’izany habibiana izany. Nikorontana ny sain’ny olona izay voatery nanidy trano mafy sao hiharan’ny fanafihana tampoka. Nantsoina ny polisy misahana ny hery vonjy taitra izay niditra an-tsehatra avy hatrany. Raikitra ny fisamborana teo. Nisy ny 13 voasambotra ary nisy koa ny tafatsoaka tao anatin’ny maizina. Ho an’ny olona ao an-toerana ny dia ny « foroches » na ny zaza maditra avy any amin’ny faritra avaratra ireo nidina tao Mahajanga ireo ka nanakorontana. Mbola tsy voamarina anefa ny amin’izay ary andrasana ny fihainoana azy ireo eny anivon’ny mpitandro ny filaminana. Mivaona ve ny tanora ? Vao tamin’ny herinandro teo koa, raha hiverenana kely, no nisy ilay famonoana mpanabe izay nitranga tetsy Mahamasina. Ny mpianatra no nikasi-tànana na dia efa fantatr’ireo aza fa mpanabe ilay rangahy. Niakatra tao amin’ny fampanoavana omaly koa io raharaha io. Raha mitohy ny herisetra ataon’ireo andian-jatovo toy izao dia ahiana mafy ho mora mivarina any amin’ny làlana tsy izy ireo tanora. Mampanontany tena koa hoe rehefa mihamahantra izany ny firenena iray dia mirodana manaraka izany koa ve ny fanabeazana ? Tsy ho ela dia ho lasa olana iray hafa mihitsy amin’ny firenena izy ireo raha toa ka tsy harenina haingana ny fanabeazana ary indrindra hamafisina ny fahaiza-miaina sy ny hasin’ny maha-olom-pirenena any an-dakilasy rehetra any. Mbola ady goavana iray koa amin’izao fotoana ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina eny amin’ny mpianatra. Heverina fa misy ifandraisany mantsy izany sy ny fanaovan’izy ireo herisetra tato ho ato.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici