# -Famonoana « surveillant ». Mpianatra iray nadoboka am-ponja. Omaly alim-be vao vita ny fanolorana ireo mpianatra voarohirohy tamin’ny famonoana ilay surveillant an’ny lisea Rabearivelo tetsy Mahamasina, ny herinandro lasa teo. Mpianatra iray no nidoboka am-ponja eny Antanimora, ary ny dimy hafa nalefa eny amin’iny Akany fitaizaina zaza maditra eny Anjanamasina. Izany rehetra izany dia mandram-piandry ny fotoam-pitsaràna azy ireo.
# – Ankadifotsy. Trano nirehitra. Trano iray no nirehitra tetsy Ankadifotsy, omaly alina. Hatreto dia tsy fantatra mazava izay antony nahatonga ny firehetana, ary hatramin’ny ora nanoratanay dia mbola miezaka mifehy ny afo ireo mpamonjy voina. Araka ny fampitam-baovao voaray dia voalaza fa nisy olona mbola tavela tao anatin’ity trano may ity.
Nangonin’i m.L