- Publicité -
jeudi, juillet 17, 2025
AccueilFaits-DiversFamonoana ny SG kaominina Mangabe Maevatanana : Olona enina sy lefitry...

Famonoana ny SG kaominina Mangabe Maevatanana : Olona enina sy lefitry ny ben’ny tanàna iray no voasambotry ny Zandary

Ny sabotsy O5 may lasa teo iny no maty nisy nitifitra tao an-tranony ny sekretera-jeneralin’ny kaominina Mangabe, satria izy irery ihany mantsy ny tao, raha lasa niala sasatra ny vady aman-janany. Raha ny fanazavana dia nisy olona roalahy, nitondra basim-borona iray, niditra an-keriny tao an-tranony. Tonga dia norarafan’ireo tamin’ny tifitra teo izy rehefa namelatra lay iny. Hatairana ny olona teo amin’ny manodidina raha nandre ny feom-basy. Nirifatra lasa nitsoaka ireo olon-dratsy rehefa vita ny nataony. Ny tena nahagaga dia tsy nikitika vola sy ny zavatra tao an-trano ireo malaso tamin’izany fanafihana izany. Nanao ny fanadihadiana sy ny fikarohana avy hatrany ny Zandary tany an-toerana sy ny avy eto amin’ny borigadin’ny Zandary eto Maevatanàna, ka olona miisa enina sy ny lefitry ny ben’ny tanàna iray any Mangabe, no ahiahiana ho tafiditra tamin’izao raharaha izao ka voasambotra. Ny faran’ny herinandro teo no natolotra ny fampanoavana izy ireo ary voatazona any am-ponja vonjimaika miandry ny fotoana hitsarana azy ireo. Ankoatra ireo dia mbola misy olona iray hafa voalaza fa nandositra niala ato amin’ny faritra Betsiboka, izay mbola hokarohin’ny Zandary hatrany.

Ratantely   

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici