- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversAnjozorobe : Kamiô nivadika, olona maty

Anjozorobe : Kamiô nivadika, olona maty

Olona roa no namoy ny ainy, iray kosa naratra mafy. Io no vokatry ny fivadihana fiarabe iray tany amin’iny distrikan’Anjozorobe, ny alakamisy lasa teo. Tany amin’iny kaominina Betatao no niseho ity loza mahatsiravina ity, rehefa nitrangana olana ara-teknika ilay fiarabe nitondra vokatra avy any an-toerana. Toerana efa somary saro-dàlana ihany ilay izy , hany ka tsy misy afa-tsy itony fiarabe itony no fitaovam-pitaterana ampiasaina, hitondra olona sy entana. Raha ny vaovao azo, dia teo am-pihaniana fiakarana ilay fiara no niseho ny loza. Voalaza teo, fa nisy olana tao amin’ny  « transmission »n’ilay fiara. Tsy voatan’ny mpamily intsony araka izany ny familiana ary dia nikodingidingy niverin-dalana ity fiarabe nivesatr’entana sy olona ity ary nivadika ambony ambany nony avy teo. Lehilahy iray 34 taona sy ankizilahy iray 14 taona no maty tsy tra-drano voatsindrin’ilay fiarabe, nisy vehivavy iray kosa naratra mafy voatery nosokirina tao ambany. Tsy naninona kosa tetsy an-danin’izay ny mpamily, raha ny fampitam-baovao azo hatrany. Efa nentina avy hatrany namonjy toeram-pitsaboana moa ilay naratra. Tonga teny amin’ny toerana nisehoan’ny loza moa ireo tompon’andraikitry ny filaminana tany an-toerana nanao ny fizahana ifotony ary nanokatra avy hatrany ny fanadihadiana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici