Fifanolanana sa sakoroka tao anatina fifandonana tamina dahalo ? Tsy fantatra mazava hatreto ny anton’ny fifampitifirana nisy teo amin’ireo mpitandro filaminana roa lahy : miaramila sy zandary tany amin’iny distrikan’i Kandreho iny, ny sabotsy lasa teo. Miaramila iray no fantatra teo fa namoy ny ainy vokatr’izay fifampitifirana izay, ary naratra mafy voan’ny bala kosa ny zandary iray.
Raha ny fampitam-baovao azo, dia tao anaty kirihitra no nisehoan’ny fifanjevoana. Tsy fantatra teo ka efa kendry tohina na noheverina ho dahalo ireto zandary roa lahy handeha hamonjy ny toby nisy azy. Tamin’izay fotoana izay tokoa mantsy no niainga ny tifitra. Nahazo teny amin’iny tongotr’ilay zandary iray ny bala. Nijininika teo ny rà. Nahita izany ilay namany ka avy hatrany dia niaro tena. Nampanitsy ny vava-basiny tany amin’iny toerana niavin’ilay bala nahavoa ny namany ary avy hatrany dia namaly tifitra. Henon’izy ireo nisy nigika tany ao anatin’ilay kirihatra ka rehefa nangina ny poa-basy dia nojerena ilay olona voa. Tamin’io fotoana io no hita fa miaramilan’ny Das ity farany. Teo vao samy nahatsapa fa samy mpitandro filaminana ihany izy ireo no nifampitifitra tao. Samy nentina novonjena teny amin’iny toeram-pitsaboana avokoa moa ireo voan’ny bala ireto, saingy noho ny ratra mafy nahazo ilay miaramila, dia tsy tana intsony ny ainy.
Nisy avy hatrany moa ny fanadihadiana nisokatra mahakasika ity fifampitifirana teo amin’ny samy mpitandro filaminana ity tany an-toerana. Raha ny feo mandeha any an-toerana, mantsy dia toa hoe efa kendry tohina nataon’ilay iray avy tamin’ny Tafika ny hamono ireto zandary ireto. Nisy trangana varotr’omby tsy ara-dalana mantsy tany an-toerana ka nahavoarohirohy tompon’omby sy olona iray hafa. Raha io feo mandeha io hatrany dia saika hamoaka sy hanala ireto olona ireto teo ambany fitazoman’ny zandary ity miaramila ity. Mbola siosion-dresaka io fa ny fanadihadiana ataon’ireo tompon’andraikitra amin’izany no ahafantarana marina izay tena zava-niseho tamin’io fotoana io.
m.L