- Publicité -
dimanche, juillet 13, 2025
AccueilFaits-DiversBetafo : Zazavavikely 11 taona saika alaina an-keriny avotry ny fokonolona

Betafo : Zazavavikely 11 taona saika alaina an-keriny avotry ny fokonolona

Saika nitranga fakàna an-keriny indray tany amin’iny faritra Vakinankaratra iny ny zoma lasa teo. Ankizivavy kely 11 taona monja no saika nalaina andian-jiolahy, saingy avotry ny fokonolona ihany izy tamin’ny ora farany. Voasambotry ny fokonolona rahateo aza ny iray tamin’ireo olon-dratsy ary matin’ny daroka nahazo azy tamin’ny fisamborana.

Teo am-pibatana ity ankizy ity mihitsy ireto andian-jiolahy ireto no niantsoantso vonjy iry voalohany. Efa mailo avy hatrany ny fokonolona ka samy niezaka nanakana izany asan-jiolahy izany avokoa ny rehetra, eny fa na dia nirongo basy mahery vaika aza ireto farany. Raikitra teo ny fanenjehana ireo telolahy saika hanao izany asa ratsy izany. Nantsoina haingana teo ihany koa ny zandary izay nanampy azy ireo fotoana fohy taorian’io. « Efa teo am-pelatanan’ireo fokonolona ny iray tamin’ireo jiolahy ireo raha tafatsoaka kosa ny roa hafa. Rehefa nosavaina moa ny sakaosy nentin’izy ireo dia indro fa basy Kalacknikov iray no tao anatiny ka nogiazana. Naratra mafy io jiolahy tratra io teo amin’ny lohany nandritra ny savorovoro nisamborana azy ka voatery nentin’ny zandary teny amin’ny hopitalin’Antsirabe hotsaboina, kanjo namoy ny ainy izy » hoy ny vaovao hatrany. Mbola mitohy kosa etsy andanin’izay ny fikarohana ireo roalahy tafatsoaka.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici