- Publicité -
dimanche, juillet 13, 2025
AccueilFaits-DiversMahajanga : Ady ao amin’ny Doany Andriamisara efadahy, tsy tafapetraka ny Ampanjaka...

Mahajanga : Ady ao amin’ny Doany Andriamisara efadahy, tsy tafapetraka ny Ampanjaka vaovao

Taorian’ny fivoriana niarahan’ny roa tonta mpifanandrina izay notarihin’ny prefen’i Mahajanga ary natrehan’ny OMC, dia ny talata 15 mey lasa teo no namoaka fankatoavana ireo manam-pahefana any an-toerana ny amin’ny maha Ampanjaka vaovao an-dRasamimanana. Afak’omaly, ny sabotsy maraina teo no fotoana voatondro fa hametrahana ny Ampanjaka vaovao, dia Rasamimanana sy ny Fahatelo izay hiara-hiasa aminy hitantana ny Doany Miarinarivo efa-dahy manankasina ao amin’ny Fokontany Tsararano Ambony Distrikan’i Mahajanga I, saingy tsy tontosa izany noho ny ady sy fifandroritana misy eo amin’ny mpitantana vaovao sy Ampanjaka Soamody ; izay nesorina tamin’ny toerana maha mpanjaka azy, satria rehefa hiditra tao amin’ny toerana tokony hisy azy tao amin’ny valamena ny Ampanjaka vaovao, dia tsy hita ny fanalahidy fa nogiazan’ ireo mpiara-dia amin’ny Ampanjaka teo aloha. Raha ny fantatra araka ny tati-baovao voaray, dia akaiky indray ny fanompoam-be hanaovana ny Fitampoha, ka raikitra ny korontana sy ady seza ao amin’ny Doany Andriamisara. Fiadiana hitantana ny vola sy ny omby izay aterin’ireo mpanompo no mahatonga izao ady lava misy sy miverimberina hatrany isan-taona izao, hoy ny mpitazana.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici