- Publicité -
mardi, novembre 18, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-Divers« La Haute » : Mpitandro filaminana maty nitifi-tena tao an-tranony

« La Haute » : Mpitandro filaminana maty nitifi-tena tao an-tranony

Famonoan-tena sa nisy namono ? Mpitandro filaminana iray no hita faty, voatifitra, tao an-tranony, teny amin’ny « La haute » ny sabotsy maraina teo. Ny zanany, izay tonga namangy azy no nahita ny vatana mangatsiakan-drainy nisohon-drà tao am-pandriana. Ny antso vonjiny no nanaitra ny rehetra tamin’io marainan’ny sabotsy ka nirohotra nijery ny zava-nisy avokoa ny rehetra, izay tsy nisy nanam-po ny zava-nitranga. Fantatra anefa hatreto, araka ny angom-baovao fa tsy mipetra-drery ity farany fa miaraka amin’ny fianakaviany, izay samy tsy nisy tao an-trano intsony tamin’io fotoana io. Tsy nisy nahareo na inona na inona ihany koa tetsy an-danin’izay ireo teo amin’ny manodidina. Eny fa na hatramin’ny poa-basy izay nahafaty ity raim-pianakaviana ity aza. Ilay zanany izay tonga tao an-trano voalohany moa dia nihevitra ity rainy fa mbola natory, satria dia nirakotra bodofotsy teo am-pandriana izy. Niezaka ny nanaitra azy ity farany, ary nony hanala ny firakofany ilay zanany no ity rainy efa vatana mangatsiaka sy mihoson-drà no novantaniny.

Tonga teny an-toerana avy hatrany ireo tompon’andraikitry ny filaminana nanao ny fanadihadiana rehetra mahakasika ity naman’izy ireo maty voatifitra ity. Raha ny fijery ny zava-nisy voalohany dia azo vinavinaina ho maty nitifi-tena ilay raim-pianakaviana. Tetsy andanin’izay ihany koa dia nahitàna taratasy kely voasoratra teo akaikin’ny razana. Taratasy izay mirakitra ny « fifonanany tamin’ny zavatra tsy nety nataony ». Mbola azo heverina anefa fa vinavina izay famonoan-tena izay fa ny fanadihadiana ataon’ireo tompon’andraikitra sy ny  « autopsie » no afaka ahafantarana ny marina rehetra amin’ity tranga ity.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici