- Publicité -
dimanche, juillet 13, 2025
AccueilFaits-Divers67ha : Lehilahy nitondra basy, voaendaka

67ha : Lehilahy nitondra basy, voaendaka

Nirefotra ny basy teny amin’iny faritra 67ha iny, ny sabotsy hifoha alahady lasa teo, nandrovitra ny voalin’ny fahanginan’ny alina. Lehilahy iray nitondra basy no nisy nanendaka teny an-toerana. Tsy fantatra mazava  izay tena nitranga, fa ny feom-basy nanakoako tamin’iny faritra iny nanaitra ireo mponina. Araka ny loharanom-baovao, dia efa lasan’ireo mpanao sinto-mahery anefa ny entana teny aminy vao tafavoakany ny basiny. Tamin’izay fotoana izay no nanao tifi-danitra izy nentina nampitahorana ireo olon-dratsy, saingy afa-nitsoaka ihany ireto farany. Tsy vitan’izay ihany koa anefa fa tsy nahitsy tsara nanondro ny lanitra ny vava-basy tamin’io fotoana io, noho ny tampoka nahazo azy angamba, ka saika nahavoa olona iray, mpiambina teny amin’iny toerana iny ny bala. Azo heverina ihany koa fa mety ho nidona tamin-javatra ka niverina izany bala izany ary niafara teny an-tokotanin’olona sy io saika nahavoa olon-kafa io. Na izany na tsy izany aza anefa, dia tsy nisy ny naratra teny an-toerana. Tokony ho tamin’ny iray ora maraina teo no nitrangan’izy io, araka ny fampitam-baovao azo. Nampandrenesina avy hatrany moa teo ireo pôlisy misahana iny faritra iny, noho io toe-javatra nitranga io ary tonga teny an-toerana nanao ny fanadihadiana rehetra. Araka ny loharanom-baovao hatrany, dia toa hoe kitapo nisy solosaina no lasan’ireo olon-dratsy. Efa ao anatin’ny famotorana tanteraka ireo mpitandro filaminana amin’izao ary eo am-pikarohana ihany koa ireo olon-dratsy.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici