- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversRN7 : Ben’ny tanàna iray naratra tao anaty lozam-piarakodia

RN7 : Ben’ny tanàna iray naratra tao anaty lozam-piarakodia

Nisehoana lozam-pifamoivoizana indray iny lalam-pirenena fahafito iny, teo amin’iny Pk 434, teo amin’iny tanana antsoina hoe Ambatosoa, ao amin’ny  kaominina Andranovorivato, distrika Vohibato, ny harivan’ny alatsinainy lasa teo. Fiara taxi-brousse iray, zotra rezionaly mampitohy an’ Andranovorivato sy Fianarantsoa no niharan-doza tamin’io fotoana io. Vokany olona 15 no naratra mafy tamin’io fotoana io, ka anisany ny ben’ny tanàna iray avy amin’ny kaominina Vohimarina.

Vao handeha hiainga mihitsy ity fiara fitateram-bahoaka ity no izao tra-pahavoazana izao, raha ny vaovao hatrany. Izany dia noho ny fisian’ny olana ara-teknika nahazo ny fiara. Rehefa tsy nahazo intsony mantsy ny hisatra, dia tsy afa-nanoatra intsony ny mpamily tamin’io fotoana io. Ny fiara ihany koa tetsy an-danin’izay mavesatra loatra, satria dia  feno sy hipoka mpandeha ary entana. Hany ka tsy maintsy nadona tamin’ny sisin’ny làlana izany. Ny tena loza anefa, ary soa ihany fa tafajanona soa aman-tsara ilay fiara, dia nivaly hantsana mangitsogitsoka ny teo akaikin’ilay sisin-dàlana. Raha izay no nitranga hoy ny rehetra, dia efa faty olona nikararana indray no noraofina tao. Navantana avy hatrany tany amin’iny hôpitaly tao Fianarantsoa moa ireto olona naratra ireto. Efa tonga teny an-toerana nijery ifotony ny zava-nisy kosa ireo zandary misahana izany toerana izany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici