- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversTsiroanomandidy : Miaramila ray nokapain’olon-tsy fantatra tamin’ny famaky

Tsiroanomandidy : Miaramila ray nokapain’olon-tsy fantatra tamin’ny famaky

Mpitandro filaminana iray indray no naratra mafy, rehefa nisy nikapa famaky teo amin’iny lohany, ny faran’ny herinandro lasa teo, tao amin’ny fokontany iray antsoina hoe Fiakarantsoa, kaominina Bemahatazana, distrika Tsiroanomandidy iny.

Tao anatin’ny fanaovana ny asany indrindra no niseho ity tranga tsy nampoizina ity, araka ny fampitam-baovao azo tamin’ny zandamariam-pirenena. Nandritra ny fisafoana ny tanana amin’ny alina mihitsy mantsy izy sy ny mpiambina iray avy ao amin’ny « Zaza mainty » no sendra tojo andian’olona maromaro. Efatra ireto farany raha ny vaovao hatrany. Angamba mety ho fantapantatra ihany hoe olona tsy zoviana amin’izy ireo ireto andian’olona ireto ka nanatona tsy tamim-pisalasalana izy roa lahy. Ary niangavy am-panajana ireto farany ny mba hamonjy ny toerana misy azy ireo tsirairay avy, eo anatrehan’ny firongatry ny tsy fandriam-pahalemana any an-toerana. Nisy iray tamin’ireto olona ireto anefa ny nandà an-kitsirano izany torohevitra izany. Tsy vitan’izay anefa, fa avy hatrany namely famaky ny lohan’ilay miaramila ary nitsoaka nony avy teo. Tsy nokasihan’ireto andian’olona kosa ny fitaovam-piadiana teny aminy tamin’io fotoana io. Voa mafy teo amin’ny faritry ny lohany ity mpitandro filaminana ka nezahana nentina haingana namonjy toeram-pitsaboana. Tsy fahatokisana mpitandro filaminana intsony sa andian’olona saika hanao ratsy ? Eo an-dalam-pikarohana ireto olona nandratra miaramila ireto moa ny zandary avy ao amin’ny borigadin’i Bematazahana, izay nandray an-tànana ny raharaha amin’izao fotoana izao. Efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy kosa ilay naratra. Notazonina any amin’iny biraon’ny zandary kosa ireo fitaovam-piadiana teny aminy.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici