- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversManakara : Anti-bavy novonoin’ny mpiasany, voaroba vola 7 hetsy Ariary

Manakara : Anti-bavy novonoin’ny mpiasany, voaroba vola 7 hetsy Ariary

Noho ny firongatry ny tsy fandriampahalemana misy sy ny asan-jiolahy manjaka ankehitriny amina faritra maro eto amintsika (na ambanivohitra io na an-tanànan-dehibe), dia mahatsiaro tena ho tsy voaaron’ny fanjakana noheverina ho Raiamandreny intsony ny olona sy ny fananany. Afak’omaly alina, tany Lokomby Distrikan’i Manakara, dia ramatoa be iray mpivarotra izay efa maty vady, miara-mipetraka amin’ny mpiasany, no notsatohan’ny mpiasany antsy sady norobain’ity farany nentiny nitsoaka ny lelavola fito hetsy Ariary. Rehefa nahita an’ity vaviantitra nitolefika tamin’ny tany nihosin-drà ity lehilahy mpanampiny sahabo  ho35 taona eo ity, ary nihevitra ity farany fa maty noho ny tsatokaa  antsy in-telo nataony ilay renim-pianakaviana. Mbola nahatsiaro tena anefa ny niharam-boina ka niezaka niantso vonjy. Nentina namonjy hopitaly ramatoa be ary mbola miady mafy amin’ny fahafatesana amin’izao. Karohina fatratra kosa ilay mpiasa fangolika, izay tsy mbola hita hatramin’izao ny toerana misy azy, hoy ny vaovao.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici