« Ary hataoko ahoana no fijery ny fandringanana ny havako » io Teny avy ao amin’ny Estera 8 :6b io entin’ny Sampana Vokovokomanga avy etsy amin’iny Fjkm Analamahitsy, hanamarihana ny andro maneran-tany tsy hanendrena paraky sy sigara, ny alakamisy ho avy izao. Amin’io andro io dia hisy ny fotoam-bavaka izay hatao eny an-toerana, ny fampianarana Soratra masina, ary ny rindran-kira ara-pilazantsara hiarahana amin’ny tarika Laurent Rakotomamonjy. Ny fotoana, dia hanomboka amin’ny enina ora hariva, araka ny fanazavana azo, ka manentana ny rehetra. Marihana, fa efa nisy ezaka fanentanana amin’ny ady amin’ny zava-mahadomelina izay nataon’ny Sampana teny anivon’ireo sekoly, ny volana aprily sy mey teo. Izany moa dia anisan’ny tafiditra ihany koa ao anatin’ny hetsika fankalazana ny faha-85 taona nijoroan’ity sampana ity ,teo anivon’ity fiangonana Fjkm Analamahitsy ity.
Nangonin’i m.L