- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversFivarotan-kena ao Analanjirofo : Misy mivarotra atin-kena misy « dinta »

Fivarotan-kena ao Analanjirofo : Misy mivarotra atin-kena misy « dinta »

Efa tena gaboraraka mihitsy ankehitriny ny fanaraha-maso ny entana amidy eny an-tsena, tsy mivalona ny  vary lo  misy mivarotra an-tsokosoko na efa manao ny ezaka mafy amin’ny fanaraha-maso izany ny eo anivon’ny varotra sy ny fanjifana Analanjirifo . Izao indray dia tsy hita manao ny asany ny eo anivon’ny sampan-draharahan ‘ ny fahasalaman’ny biby izay mpanara-maso ireo hena amidy eny an-tsena any an-toerana. Isan’ny mety hiteraka olana ara-pahasalaman’ny mpihinana anefa ny aretina misy amin’ireo biby fiompy amidy an-tsena ireo, raha tsy voaara- maso ny fahasalamany sy ny aretina misy ao amin’izy ireny. Ankehitriny nefa dia gaga ny mpanjifa ao Fenerivo atsinanana fa tonga eny an-tsena ireo atin-kena misy “Dinta” sy ireo hena tsy misy fitomboka nefa tsy misy taitra amin’izany ireo tompon’andraikitra mikasika izany; manginy fotsiny ihany koa ireo hena samy hafa efa manangana sy feno lalitra ary efa mamoaka fofona maimbo be mbola misy mivarotra an-tsena ihany tsy misy mpanakana sy mpisava ary mandrara mihitsy. Hatramin’izao, dia tsy hita popoka ilay toky nataon’ny depioten’i Fenoarivo atsinanana, Mohamad Ahmad na Ahmad hely amin’ny fanamboarana toeram-pamonoana omby any an-toerana, hany ka amin’ny toerana tsy ara-dalana amoron-drano sy amin’ireo toerana hitan’ny mpamono omby fa mety hanaovany izany no hamonoan’izy ireo ny omby hanin’ny mponina any an-toerana.Vokany tandindonin-doza tanteraka ny fahasalaman’ny mponina ao Analanjirofo noho izany…

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici