Niverina indray ny fanafihana mitam-basy eto Toamasina ankehitriny na manao ezaka mafy mifehy izany araka ny baiko azon’izy ireo aza ny mpitandro filaminana ; izay miezaka mandeha eran’ny tanàna na andro na alina. Tranga iray no niseho, ny alatsinainy teo tokony tamin’ny 4ora tolakandro raha iny hividy entana tao amina tranombarotra iray antsoina hoe « Kanto » eto Toamasina ity mpivarotra enta-madinika avy any Sahambala Toamasina II. Raha niala maraina tany aminy izy mivady ireto, dia tsy nahatsikaritra aloha hoe nisy nanaraka, nefa vao tonga teo amin’ity tranombarotra efa fakan’izy ireo enta-madinika anefa izy ireo, dia vavam-basy avy hatrany no nahazo ilay rangahy izay heverin’izy ireo ho nitondra ny vola tao anatin’ilay sakosy nentiny. Avy hatrany dia nitaky vola ireto jiolahy roa nitondra moto scooter izay nitondra PA. Raha nilaza ny tsy manam-bola anefa ilay rangahy, avy hatrany dia notifirin’ireto jiolahy roa ka maty tsy tra-drano teo an-dalam-be . Vao nahita izany anefa ny vadiny dia nanipy ilay poketra nisy ny vola tamin’ireto jiolahy ary niezaka namonjy am-badiny, nefa efa tsy tana intsony ny ainy noho ilay bala nahavoa ny faritra saro-pady tamin’ny vatan’ilay raim-pianakaviana tamin’izay. Ireo tompon’ny tranombarotra sy ireo mpanjifa tao aminy ary mpandalo nahita ny zava-nitranga anefa, dia tsy nisy sahy namonjy azy mivady ireto, ka mora tamin’ireto andian-jiolahy ny nandositra nitondra ilay vola 4 tapitrisa ariary azony. Ny mponina manodidina no niezaka niantso mpitandro ny filaminana nanara-dia ireto jiolahy roa nitondra basy nahafaty renim-pianakaviana sy nangalatra vola ireto, saingy tsy tratra intsony izy ireo noho ny moto scooter nentin’izy ireo nanao taingin-droa nahafahany nandositra haingana.
Milaza anefa ireo mpitandro filaminana nanontaniana, fa tsy olom-baovao amin’ny fanafihana mitam-piadiana eto Toamasina ireto nahavanon-doza ireto, saingy isaky ny mafana ny fanaraha-maso azy ireo, dia mandositra miala an’i Toamasina izy ireo, ka izao miverina izao indray hampihorohoro mpivarotra sy ny mpanjifa ary ireo mpandraharaha indray.
Malala Didier