- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversBefotaka Atsimo : Zandary roalahy lavon’ny balan’ny dahalo

Befotaka Atsimo : Zandary roalahy lavon’ny balan’ny dahalo

Isan’ny mbola mahamay tokoa raha ny resaka tsy fandriam-pahelamana any amin’iny faritra Atsimon’ny Nosy iny. Ny talata lasa teo dia zandary roalahy indray no lavo an-tanim-piadiana tany amin’iny distrika Befotaka Atsimo iny, tao amin’ny fokontany Amboahangimasy, ao amin’ny kaomina Bekofafa, rehefa nifandona tamin’ny dahalo rain-dahiny sy ny ekipany. Na izany aza anefa dia ny iray tamin’ireo malaso ihany no tsy afaka manohy ny asa ratsiny intsony tamin’izany

Raha ny zava-nitranga araka ny fampitam-baovao azo dia ny marainan’io fifandonana io no nisy nampandre ireo zandary avy any Ranotsara Atsimo, fa « hita any amin’ny faritry ny fokontany Amboahangimasy ny dahalo rain-dahiny antsoina hoe “Kapo” izay efa nokarohina hatry ny ela ». Nandray ny andraikiny avy hatrany izy ireo ka nandefa zandary efatra niaraka tamin’ny mpitari-dalana iray, hiroso amin’ny fisamborana ity dahalo rain-dahiny ity. Vao nitsidika monja ny tanana anefa izy ireo dia efa voatsenan’ny tifitra variraraka. Hay efa nitampify sy toa efa niandry azy ireo tao ity lehiben’ny dahalo ity sy ny ireo ekipany. Raikitra teo ny fifandonana, ary nisy dahalo iray maty. Sendra ny be noho ny vitsy anefa ireto mpitandro filaminana ka tsy nahatohitra intsony ireto andian-dahalo marobe. Roa tamin’ireo zandary no lavo dia ny zandary iray « Chef de poste » niaraka tamin’ny mpiara-miasa aminy. Voatery nihemotra sy niantso vonjy araka izany ireo roalahy hafa. Taoriana kelin’izay dia « efa niroso nidina any an-toerana ireo zandary sy tafika malagasy maromaro hanao ny fikarohana sy fanarahan-dia ireo jiolahy ireo ». Noraisin’ny fokonolona an-tanana moa teo ny fikarakarana ny vatana mangatsiakan’ireto mahery fon’ny firenena ireto, mandra-pahatongan’ireo namany, nitondra izany razana izany tany Ranotsara.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici