- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Miaramila niray tendro tamina jiolahy telo

Toamasina : Miaramila niray tendro tamina jiolahy telo

“Sady maharary no mahamenatra ny zava-misy, satria izahay natao hiaro ny fananan’olona indray no miray tendro amina jiolahy amin’ny famakiana magazay ; izay nanaramana anay ny hiambina azy, nefa izay no zava-misy ka tsy maintsy samy hizaka ny sazy nataony ny tsirairay”, hoy ity manamboninahitra amin’ny Tafika eto Toamasina nanontanian’ny mpanao gazety mikasika ity tranga niseho tao Ampilaolava Toamasina suburbaine ity. Misy magazay ana tera-tany vahiny fitehirizana entana ao amin’ity fokontany amin’ny lalam-pirenena faha-5 miala kely ny seranam-piamanidina Ambalamanasy ity. Ho fiarovana ny entany, dia manarama miaramila telo isan’andro ilay tompony miambina ny entany, saingy tamin’ny alarobia maraina be tokony ho tamin’ny tamin’ny 1ora kosa dia nitondran’ity miaramila kilasy faharoa andian-jiolahy telo namaky izany, raha nolazainy, fa afaka mamonjy ny sakaizany ireo namany roa lahy tamin’io fotoana io ka lasa tokoa. Raha nahazo antso anefa ny polisy araka ny fanazavana dia tonga nijery ny zava-nisy ka tratra ambodiomby tao anaty magazay mbola niaraka tamin’ny basy kalaky fitondrany ilay miaramila kilasy faharoa sy jiolahy iray, ny roa ambiny kosa tratra tany ambony tafotrano mamoaka ny entana sy tety ivelany mitatitra izany sy manara-maso ny manodidina. Tsy misy afaka nandà ny nataony avokoa izy ireo noho ny fahatrarana azy ireo ambodiomby tanteraka, ka miatrika ny fakana am-bavany azy eo anivon’ny polisy misahana ny raharaha izy efa-dahy mamaly ny heloka vitany avy . Ny iray antsoina hoe Fertis raha teo efa voafonja vao nahavita ny saziny tamin’ity taona ity. Ireo miaramila roa lahy nandao ny toerana ambenany kosa dia sazy ara-miaramila no miandry azy ireo araka ny fanazavan’ity manamboninahitry ny Tafika tafaresaka tamin’ny mpanao gazety. Ankoatra izay, dia tratra ny alarobia alina tao Androranga koa ingahy Gino izay tena hikohizana amin’ny fanendahana sy fandravana olona eto Toamasina. Efa  am-polony rahateo ny fitoriana azy ity eo anivon’ny polisy eto Toamasina mikasika ny asa ratsy fanaony, ary vao nahavita ny saziny am-ponja tamin’ny taona nivalona iny koa ny tenany noho ireo fanenan-tsazy azony ara-panjakana.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici