Ny sabotsy faha-30 novambra tamin’ny 2 ora maraina, mpamaky trano miisa efatra no voalaza fa nandroba teny amin’ny faritra Andranoro eny Ambohibao Antehiroka. Asa na natohotra izy ireo rehefa taitra ny tompon’ny trano na ahoana fa navelany teo an-tokotany avokoa ny entana efa tafavoakany tao amin’ilay trano. Vokany, toa tsy nahazaka na inona na inona ry zalahy fa lasa nandositra. Ny loharanom-baoavao no nahalalana fa nitondra barre à mine sy antsy izy ireo. Niakatra tamboho ary tafiditra teo amin’ny tokotany. Nopoirina tamin’izany ny varavaran’ny lakozia ary teo izy ireo no niditra. Nanomboka namoaka ny entana ry zalahy. Rehefa izany dia niomana ny hitatitra ireo entana tamin’izay ireo mpangalatra. Tamin’io fotoana io indrindra anefa no taitra ny tompon’ny trano. Raha vao fantatr’ireo mpangalatra izany dia rifatra nandositra izy ireo ary dia navelany teo ny zavatra rehetra. Nantsoina ny zandary eny an-toerana nizaha ny zava-nisy. Efa mandeha ny famotorana amin’izao fotoana izao.
r.s.