Vokatry ny fahasarotana teo amin’ny famonoana ny afo, tsy nisy noraisina ny ambony rihana rehetra tamin’ity trano iray lehibe tetsy amin’iny faritra Ankasina iny omaly. Avotra daholo kosa tetsy andanin’izay ireo ankizy anankiroa tao anatiny.
Tokony ho tamin’ny 12 ora antondro teo no niseho ny loza, araka ny filazan’ireo olona teny an-toerana. Ny setroka nijolofotra sy ny lelan’afo nivoaka avy eny am-baravaran-kely no nanaitra ny rehetra teo amin’ny manodidina ary niantsoana vonjy haingana. Hatreto dia tsy fantatra mazava izay tena antony niavian’ny loza. Azo heverina fa mety ho vokatry ny tariby nitondra herinaratra nifampikasoka angamba, na ihany koa kilalaon’afo nataon’ireo ankizy tao anatiny. Raha ny fitantaran’ireo teny an-toerana hatrany mantsy dia ankizy roa ihany no tao amin’ity trano ity tamin’io fotoana io. Nivoaka haingana taloha kelin’ny nirehetan’ny afo anefa ireto ankizy ireto, ary tsy nilaza akory fa efa misy afo mirehitra tao amin’ilay trano.
Vetivety ihany dia tonga haingana teny amin’ny toerana niavian’ny loza ireo mpamonjy voina. Somary sarotsarotra ihany anefa ny fifehezana ny firehetana noho ny fisian’ireo karakaravy avy amin’ny lavarangana sy ny varavaran-kely tamin’ity trano ity. Ny tany ambany rihana rahateo efa tsy azo nandehanana intsony noho ny setroka sy ny hafanana nateraky ny afo. Noho izay ihany koa no tsy nahafahan’ireo mponina sy ireo mpifanolo-bodirindrina namono ny afo, na dia teo ihany aza ireo niezaka nanondraka rano. Hany hery dia niandry ny fiavin’ireo matihanina amin’ny famonjena. Potika tsy nisy azo noraisina intsony moa ireo entana rehetra tamin’ity trano ity, ary tafakatra ambonimbony ihany ny fahavoazana raha ny fantatra. Soa ihany fa tsy nisy ny naratra na ny aina nafoy tamin’izany.
m.L