- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversFanafihana mpividy entana tao Ankirihiry : Misy olona iray voasambotra, mitohy ny...

Fanafihana mpividy entana tao Ankirihiry : Misy olona iray voasambotra, mitohy ny fikarohana ny namany

Taorian’ny fanafihana in-04 nisesy teto Toamasina ny alatsinainy teo, izay nanomboka tamin’ny 11ora tsy nitsahatra raha tsy tamin’ny 05 ora hariva, niseho tamin’ny toerana samy hafa sy nifanalavitra, nataon’ireo andian-jiolahy manao andiany roa mitondra basy sy mitaingina moto scooter. Ny iray farany niseho tao Ankirihiry teo amin’ity tranombarotra iray ka nahafatesana raim-pianakaviana avy any Sahambala Toamasina II nikasa ny hividy entana amidiny sy nahaverezana vola 4.000.000 ariary tamin’izay, dia nanao ny ezaka rehetra noho ny fahalalana ny lokon’ilay moto nentin’izy ireo ny polisy ka nahatratra olona iray nandray anjara tamin’izany izy ireo izao. Ao anatin’ny fakana am-bavany azy ny polisim-pirenena izao hamantarana ny namany. Ankilan’izay dia ny alakamisy sy ny zoma teo koa dia olona roa samy hafa no niharan’ny herisetran’ireo mpanendaka an-dalam-be eto Toamasina. Ny iray nitranga tao Anjoma manakaiky ity tranom-barotra mivarotra fiara iray, izay mpitandro ny filaminana vehivavy miasa eny amin’ny seranam-pianaramadinina Ambalamanasy no voaendaka poketra sy ireo firavaka volamena teny aminy tokony tamin’ny 05ora sy sasany hariva. Ny faharoa dia niseho tao akaikin’ny bazary Depot Manangareza, izay tena hafa kely ny fomba nentin’ireo mpanendaka tamin’izany satria misy iray mody miampita arabe tampoka dia nijanona ilay mpitondra moto, nefa nandritra izay dia efa nisy roa lahy tao an-damosiny nanambana basy azy nilaza hoa “aina sa moto”, dia lasan’izy ireo mora foana ny moto nentin’ity tovolahy hamonjy fodiana ity. Ankoatra izay, ny zoma hariva teo kosa dia mpangalatra moto iray no tratran’ny tompony ambodiomby teo am-pamelomana ny moto-ny teo amin’ity tranombarotra iray mpivarotra ambongadiny zava-pisotro mahamamo. Niharan’ny fitsaram-bahoaka avy hatrany ity rangahy ity, saingy niezaka ireo mpiambina manodidina ity tranombarotra ity nitondra azy namonjy mpitandro ny filaminana hisorohana ny fahafatesany.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici