- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversTratra nampirafy ny vadiny : Novonoiny noho ny hatezerana ny zanany

Tratra nampirafy ny vadiny : Novonoiny noho ny hatezerana ny zanany

Hafa kely ity tranga niseho tamin’ny fokontany Andavanio, 06km miala an’i Soanierana Ivongo ity, satria tratrany ambodiomby nampirafy azy nampiaraka tamin’ity sakaizany ny vadiny, dia ny zanany mbola kely indray no nakarapony tamin’ny arabe tara ka maty tsy tra-drano vokatra izany. Raha ny fanazavana avy any an-toerana dia niala tao an-trano fa hoe handeha hiasa ny vadiny ny alakamisy maraina, tsy nanampo koa anefa rangahy fa hivoaka hividy zavatra ilainy ao an-tranony ilay ramatoa vadiny sy ny zanak’izy ireo mbola kely. Nifanehatra teny an-dalana izy ireo nandritra izany, ilay rangahy nampiaraka tamin’ny sakaizany, ilay ramatoa nitrotro ny zanany sy ny harona keliny. Vokatry ny fahatezerana teo amin’ilay ramatoa noho ny nataom-badiny azy tsy taitra akory na nahita am-badiny tamin’ny fiarahany tamin’ny sakaizany, dia ilay zazakely tsy manan-tsiny teny an-trotroany no natontony tamin’ny arabe ka sady tapatapaka no vaky loha ary maty tsy tra-drano vokatr’izany. Nandositra ity renim-pianakaviana nahavita namono an-janany ity taorian’izay, nefa hatramin’ny alakamisy nitohy ny zoma dia raikitra ny fikarohan’ilay rangahy sy ny fianakaviany ity ramatoa namono anaka noho ny fampirafesan’ny vadiny azy ity amin’ireo ala sy tanana manodidina rehetra.  Mandrahona izy ireo fa “ny aina solon’ny aina”, ary hisy avy hatrany ny fitsaram-bahoaka amin’ny fotoana hahitan’izy ireo ity ramatoa namono ny zanany ity. Mitaintaina noho izany koa ny fianakavian’ity renim-pianakaviana namono ny zanany ity vokatr’izao toe-javatra misy ao amin’ny tanana Andavanio Soanierana Ivongoizao. Ho hita eo ny tohiny.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici