Nahonena ny maro ny zava-nitranga tetsy Antsonjony-Beheny izay mahakasika ny famonoana ho faty vehivavy iray izay vao herintaona no vita mariazy. Novelesin’ny vadiny tamin’ny maritoa ny lohany, raha araka ny fanazavan’ny zandary ary niaiky izany rahateo ilay rangahy tamin’ny fihainoana azy. Mizotra tsikelikely any amin’ny fikarohana ny antony nahatonga ilay rangahy ho nahavanon-doza ny fanadihadiana ankehitriny, na dia mbola tsy nipetraka aza ny fitorian’ny havan’ny maty, satria mbola handevina aloha izy ireo. Isan’ny nohazavain’ilay lehilahy ny hoe tsy nifampiteraka izy roa dia izay no antony namonoany ny vadiny. Toe-javatra izay tsy voatery ho azo inoana velively ary vao herintaona rahateo izy roa no nivady. Indrindra koa, tao anatin’izay fotoana izay dia efa indroa nopozinin’ity lehilahy ity ramatoa vadiny saingy mba avotra hatrany. Ny alakamisy teo izy no nisafidy ny nitady tetika hafa dia ny fitondràna ilay ramatoa niala kely an’andrenivohitra mba haka rivotra kely any ambanivohitra. Kinanjo tany no namonoany azy rehefa mody nampifaliany tamin’ny “shooting” taloha kelin’izay. Mandeha tsikelikely ny fihainoana ilay rangahy ary isan’ny hadihadiana aminy ny fisian’ny vehivavy hafa miaraka aminy ivelan’ny tokantranony. Raha ny filazan’ny fianakavian’ny maty mantsy dia efa henon’izy ireo ny fisian’ny ramatoa be vola mpiompy lehilahy tanora iray izay mitady tanteraka ny hamotehana ny tokantranon’izy mivady kely ary hangalàna ny toeran-dramatoa tompom-bady. Andrasana tanteraka ny fanampian’ny fianakaviana ny mpanao fanadihadiana avy amin’ny alàlan’ny fanomezam-baovao rehetra momba izany, rehefa vita ny adidy farany izay hataon’izy ireo. Omaly dia fantatra fa mbola mamarana ny fianarana ambony eo anvion’ny oniversite ilay vehivavy. Nosembanin’ny vadiny tanteraka izany ny fiainany, raha tena ho izay tokoa.
D.R