Nitrangana savorovoro niafara tamin’ny vono olona tany amin’ny distikan’i Bekily, faritra Androy ny zoma antoandro lasa teo. Roalahy niady tany, tany amin’ny Kaominina Manakady no fototry ny olana ka niteraka ny disadisa teo amin’ny mpiray tanàna. Tsy vitan’ny fifampitoriana teny amin’ny manampahefana ny adin’izy roalahy ireto. Tsy nahatsindry fo ny iray ka namira famaky ilay niady taminy. Maty tsy tra-drano ity farany. Vetivety dia niely eran’ny tanàna ny feo ka raikitra ny fitsaram-bahoaka. Maty vokatry ny daroka nahazo azy ihany koa ilay namono, hoy ny tatitry ny loharanom-baovao voaray avy any an-toerana.
Manitrisa