“Tsy misy hidiran’ny resaka kolikoly sy fanodinkodinam-bola ny raharaha nampitokona sy nahatonga ny sakoroka nandravan’ny mpianatra ny lycée sy ny Ceg teto aminay, fa tena niniana natao noho ny fampirisihan’ireo ray aman-dreny sasany sy ny mpanao politika aty aminay. Ny resaka ‘mpiavy’ izay voizin’izy ireo isaky ny miteny no tena antony”, izay no nambaran’ity ray aman-dreny avy ao Soanierana Ivongo tafaresaka tamin’ny mpanao gazety nilazany ny “tena marina” mikasika ity raharaha mitranga ao amin’ny kaominina Antanifotsy ity. Efa niseho sy re foana mantsy io resaka “mpiavy” io nandritra ny olana tamin’ny fikasan’ny fanjakana saika hanolo ny ben’ny tanana voafidy tany an-toerana, tamin’ny alalan’ny fampiasana ny fitsarana ny ady amin’ny fanjakana taorian’ny fifidianana, ka efa tsy mahagaga raha izao izany vao nipoaka noho ny resaka politika mafana ankehitriny ity. Nohamafisin’ireo mpampianatra sy mpanabe ary ireo mpandraharaha ao amin’ny lycée izay tena niatombohan’ny sakoroka sy fandravana fotodrafitrasam-pianarana, fa tsy marina ny filazana hatrany fa nisy ambiny ny vola 10.000 ariary nalaina tamin’ny mpianatra nanaovana ilay “voyages d’études” tao Antananarivo natao ny 26 hatramin’ny 30 martsa lasa teo, nefa iaraha-mahalala hatrany ny saran-dalana Soanierana Ivongo Toamasina sy Toamasina Antananarivo mandroso izay efa mandany 26.000 ariary. Toraka izany koa ny miverina ho an’ny olona iray. Ho fametrahana ny filaminana sy tsy hitaran’ny fanimbana ny fotodrafitrasan-tsekoly dia nandray fanampahan-kevitra araka ny baikon’ny minisitry ny fanabeazam-pirenena ny talem-paritra Analanjirofo misahana ny fampianarana, fa mikatona mandritra ny fotoana tsy voafetra aloha ny lycée sy ny Ceg ao Antanifotsy. Nesorina any an-toerana avokoa ihany koa ireo mpanabe sy ireo mpandraharaha antsoina hoe “mpiavy” ho fiarovana ny ain’izy ireo, ka mpitandro ny filaminana no naka azy ireo tany an-toerana nandritra izany. Ny alahady izao no hisy ny fivoriana any an-toerana handinihana ny tokony hatao.
Malala Didier