Ahiana ho toy ny tranga niseho tany Vohilava Mananjara sy Soamahamanina ny zava-misy any amin’ny fokontany Antafia, kaominina Maevtanàna faharoa, raha tsy voalamin’ny tompoanandraikitra mahefa haingana ny toe-draraha misy any an-toerana ankehitriny, satria tsy eken’ireo vahoaka ny fanitarana fasika ataon’ireo sinoa mitrandraka volamena. Nanizingizina ireo vahoaka tamin’ny fanambarana nataon’izy ireo taminay nandritra ny fanadihadiana natao. Efa ela izahay no nitaraina fa tsy misy hohanina intsony ny vahoaka noho izany. Mangataka amin’ny fanjakana hanery ny Siona hanala ireo fitaovana ampiasainy ireo ny mponina rehetra. Nilaza mihitsy izy ireo fa tsy tompon’andraikitra amin’izay zavatra mety hiseho intsony ireo vahoaka any an-toerana. Lasa ranom-potaka no sotroin’izy ireo amin’izao. Maro ny fifanarahana nifanaovana tamin’ny Sinoa mpitrandraka volamena tsy tanteraka mandrka ankehitriny. Isan’izany ny fananganana hopitaly ary ny fanomezana rano fisotro madio. Tsy misy tombontsoa azo mihitsy amin’ity fitrandrahana ity. Na ny vola onitra teti-bidin’ireo trano nosimbaina sy nopotehina aza tsy azo.
Ratantely