Tonga hatrany ambanivohitra ity resaka fakàna an-keriny ity. Tovolahy, zanaka tompon’omby iray any amin’iny kaominina Antanetibe Anativolo, ao amin’iny distrika Anjozorobe no nalain’ny dahalo an-keriny ny faran’ny herinandro teo. Tafatsoaka teo amin’ireo mpisambotra azy anefa ity farany ary nisy tamin’ireo dahalo no voasambotry ny zandary.
Raha ny zava-nitranga dia tonga nanafika tao amin’iny tanana iray tao amin’ity kaominina ity ny andian-dahalo nirongo basy. Tsy vitan’ny omby anefa teo no nalain’ireto farany fa mbola nanita-kevitra ny handroba tompon’omby iray teo an-tanana izy ireo. Ireo ankizilahy mpiandry omby teo no noteren’izy ireo hamoha ny tao an-trano. Nony tafiditra izy ireo, avy hatrany dia nandrahona ny tompon-trano ary nitaky vola aman-tapitrisany tamin’ity farany. Nentin’ny tahotra ny rehetra teo anatrehan’ireto olon-dratsy mirongo fitaovam-piadiana ka dia namoaka vola tsy fidiny izay nisy tao. Tsy ampy an’ireo mpanafika anefa izany ka dia nentin’izy ireo natao takalon’aina ny zanan’ity voatafika tao an-trano. Teo no nanomboka ny fandrohanana isan-karazany fa raha tsy mahita ny ambin’ny vola notakian’izy ireo ity tompon’omby dia ho vonoiny ity zanany. Raha ny fampitam-baovao dia nentin’ireto olon-dratsy tany amin’iny kaominina Beronono, mbola any amin’iny distrika iny hatrany ary tany ho any amin’iny faritra iny ihany no saika hanomezana ny ambim-bola, ny ampitson’io alahady. Teo anefa no tafandositra tampoka teo an-tanan’ireto mpaka azy ilay zaza ary nivantana avy hatrany tany amin’ny zandary. Nandray ny andraikiny avy hatrany ireto farany nidina tany amin’iny toerana voalaza fa nitazomana azy saingy efa tsy tao intsony ireo olon-dratsy. Tsy nijanona hatreo ny fikarohana ary nahitam-bokany izany. Nisy telo tamin’ireo mpanafika no voasambotry ny zandary ny alatsinainy teo, ary mbola mitohy ny fikarohana ireo namany hafa.
m.L