Nisehoana hain-trano tany amin’ny fokontany sy kaominina Mangabe, ny Alahady lasa teo, tokony ho tamin’ny 9 ora maraina. Trano fivarotam-panafody iray no hotohoton’ny afo tamin’io fotoana io, ka tsy nisy noraisina ny entana sy ny fanafody rehetra. Tsy fantatra hatreto izay, nahatonga ny fahamaizan’ilay trano, fa dia kila forehitra avokoa ny efitra. Araka ny fanazavana nataon’Atoa Richard ben’ny tanànan’ny kaominina ambanivohitra Mangabe taminay hatrany , dia lasa namonjy fivavahana izy valo mianaka tompon’ilay trano fivarotam-panafody. Ny afo efa niredareda ihany koa no hitan’ny olona teny ivelany, ka nantsoina avy hatrany ny Zandary avy ao amin’ny « Poste Avancé Mangabe »mba hijery ny zava-misy. Tonga nanao ny asany tany an-toerana ireto farany, ka telopolo minitra taorian’izany dia voafehy ny fokolona tanteraka ny afo ary tsy nitatra tamin’ireo trano bozaka manodidina azy. Marihana, fa tsy nisy ny naratra na namoy ny aina nandritra ity loza ity. Efa manao ny fanadihadiana kosa ny Zandary.
Ratantely