- Publicité -
vendredi, novembre 21, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntalaha : Halatra lavanila, olona 170 naiditra am-ponja

Antalaha : Halatra lavanila, olona 170 naiditra am-ponja

Na dia eo aza ny « opération » tsy mitsitsy ataon’ny Zandary amin’ny ady amin’ny firongatry ny halatra lavanila tsy matoy any amin’ny Faritra Sava, nanomboka ny 31 mey teo, sy ny fisian’ny Dinam-paritra momba ny seha-pihariana lavanila, dia mbola mitohy hatrany ny halatra lavanila manta any an-toerana. Raha ny nambaran’ Atoa Rady, filoha lefitry ny « Groupement des Préparateurs Acheteurs de vanille Sava », dia olona miisa 170 voarohirohy tamin’ny raharaha halatra lavanila manta no naiditra am-ponja rehefa avy natolotra ny Fitsarana Ambaratonga voalohany tao Antalaha. Raha ny nambaran’ity mpandraharaha ity hatrany, dia mikasa hanofa helikoptera ny GPAS mba hampiasaina hanaraha-maso an’ireo olon-dratsy sy hoentina hanakanana ny fandikan-dalàna mahazo laka misy ankehitriny any amin’ireo tany ankodahoda sy toerana saro-dalana tsy tongan’ny fiara. Ny tanjona, hoy izy, dia mila matoy ny lavanila vao azo amidy amin’ny fotoam-pisokafan’ny tsena sy taom-piotazana ara-pomba ofisialy, ny 15 Jolay 2018.

Eric Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici